Maty lohataona ve? vao fonosina valovitrana Rovi-damba ririnina tsy nomena tapa-jiafotsy Ny taolana mbola ho rava ny nofo dia mbola hihitsana Velona tsy olom-pantatra ve? ka maty vao Ramalala
Maty fararano ve? vao totoina ny vary rojo Tapa-kibo fahavaratra roy tsy tsipazana fotsimbary Ny olona tsy mitovy anie ny hendry tsy mifanojo Ny latsalatsa-kavana roy mavesatra maharary
Karazana tany avy aiza? no mbola hitsangananao Tsarovy fa n’aiza n’aiza mivahiny izao isika izao Novolaina avy tamin’ny tany nizarana fofon’aina Raha mivadika mbola ho tany ny lena dia mbola ho maina
Ny lamban' ny fitiavana roy no manendrika ka hitafio Fa ny landy ‘zay tsara tenona ao am-pasana tsy madio Lambamena roa sosona tsy mahasolo ny adidy tsy hefa Tsarovy ity androm-piainanao fa masoandro mirefarefa
Karazana tany avy aiza? no mbola hitsangananao Tsarovy fa n’aiza n’aiza mivahiny izao isika izao Novolaina avy tamin’ny tany nizarana fofon’aina Raha mivadika mbola ho tany ny lena dia mbola ho maina