Album music : Veloma ry tanàna

  • il y a 11 ans
Veloma ry tanàna

Hisaraka eto isika izao, hisaraka indray
Nirava ny lalao, handeha izahay
Hokoboniko ao ‘lay afo mahamay

Hanomboka ny ady @ alahelo
Toa tsapako sahady, injao mamelovelo
Hamoha ny voady sy ny tsiambaratelo

Fiv. :
Veloma ry tanàna
Veloma ianao
Tsarovako mazana
Ilay salovanao

Haoriko ny lamba, hilaozako ianao
Ilay foko efa jamba nampahiratinao
Tsy ho haiko angamba ny hanadino anao

Midoboka mangina, ny ao anatiko ao
Zakaiko am-pitsikiana ny fandaozana anao
Zakaiko ampitsikiana ny alahelo anao

Fiv. : ...

Album music (Contact: +261 (0) 33 25 466 61)

Recommandée