Ny fitia, fitia vita voady mandra-maty ho doria Sanatria tsy ankoso-bolamena na mamiratra jerena Bararata noladinim-bahy ka mifaningotra hatrany Fa fitia hiaraka eto an-tany na ho tsiky na tomany
Ny fitia, fitia vita voady volamena vita sedra Dina vita sikotra ao anaty, tsy mba taitran-drendrarendra Voin-tenan’izay tsy tia, te handrava hankahala fa fitia, fitia ho doria tsy mahataho-mpanadala
Na ho sarotra aza re ny dia, tsy hiova sanatria Na ho semban-drahona aza Nofy izay ho lefy laza Mafy orina ny anay, ho doria mandrakizay Ka ny fasana no fetra amin’ny andronay rehetra