Amorony fo madio aho Andriamanitra ô! Fo iray miorim-paka mafy ao Aminao Handosiran’i satana, fa hivoha midanadana Henika sy feno ny hasoavanao
Mba tolory saina tsara aho Tompo Masina ô! Mba hisainako ny lala-mankany Aminao Saina afaka hahalala, fa tsy ny lala-migodàna No hanatrarana ilay Paradisa soa
Akekezo ê! ity ny tanako fikiro Fa manonja anie ity rano be Aza avela handeha irery Tantàno an-dàlana aho sao very Jesôsy ô, Ianao no tokiko
Ilay fanahy mahaolona nomenao ahy koa Azoko ambara fa raha toa tsy arovanao Dia manjary mampanahy, raha tratry ny fakam-panahy Ka farany ho may sy ho ratsy fiafara
Ny tongotro ny tanako, ny loha ny masoko Ny eritreritro, ny sofiko ny vavako ’Zany hoe raha atontaly, tsy zava-bitsivitsy ihany F’izaho mihitsy no apetrako Aminao
Akekezo ê! ity ny tanako fikiro Fa manonja anie ity rano be Aza avela handeha irery Tantàno an-dàlana aho sao very Jesôsy ô, Ianao no tokiko