Ray ô! mba faniriako, Raha toa ka sitrakao Ny handova lanitra Dieny ety an-tany Kanefa tsy izaho irery F’ireo izay mino Anao Hiaraka amiko Hatrany hatrany.
Fiv : Endrey ny fiainanay anilan-dRay Ny Tompo iray, fanahy iray Iraisana avokoa ‘reo asa soa Iray ny fo, iray ny loha Ray ô! Nahoana moa e? Raha atomboka anio
Ray ô! mba faniriako Raha toa ka sitrakao Ny ho zanaka manoa Feno fahendrena Hilofo hatrany koa Hamita ireo asanao Ka tsy hirehareha Fa hanetry tena.