Tompo ô! fantatrao Malemy tokoa izaho izao Nofo aman-drà fa tsy anjely Tsy mendrika Anao velively Tompo ô! fantatrao Ny ota ao anatiko ao Loto mameno ny foko Ny fahalemen’ny finoako
Kanefa Tompo ô (x2) Ny fanahinao manazava Ny tahotro misava Nomenao fahasoavana aho Noraisinao ho havanao Ny teninao no toky ho ahy Mitarika ho sahy Hanantona Anao, hanaraka Anao Hanaradia Anao aho hatrami’zao