Extrait "Coulisse" du 10/09/11 : http://blip.tv/tv-plus-madagascar/ NENY Neny masoandro lalaina Mpandrotsy ny sombin’ny aina Nandritry ireo volana folo I Neny no nanolokolo Tsy nitaraina no malaina Niharitra ireo havizanana Nisotro ny rano tsy tiana Niharitra ireo fahoriana Nitrotro nibaby nitaiza Nitondra ahy hatraiza hatraiza
Raha mitomany dia Neny No mandrotsirotsy ao am-babeny Omeko ny vali-babeny Hajaiko ny teny nomeny ‘Reo hafa(tra) napetrany kosa Ho toy vy ataoko tontosa
Neny masoandro lalaina Mpandrotsy ny sombin’ny aina Nandritry ireo volana folo I Neny no nanolokolo Tsy nitaraina no malaina Niharitra ireo havizanana Nisotro ny rano tsy tiana Niharitra ireo fahoriana Nitrotro nibaby nitaiza Nitondra ahy hatraiza hatraiza