Dia arakarakan'ny handrosoanay Manao ny asanao, Ray ô no ahatsapanay e Fa romotra aminay e, vinitra aminay tokoa Lay satana ratsy e, ‘lay be lolom-po Lay fahavalon'ny asanao ry Ray Tsitoha Fa manao izay ho hafany manakana anay Tsy hanompo Anao izay Andriamanitray e Ny hanaovanay « eny » dia ho mandrakizay
Fiv. Raha momba ny asanao (eny e) Ekenay atao (eny e) Na iza ho be lazao (eny e) Ny eninay tsy ho lao (eny e) Fa ny anay dia eny moa, dia am-bava sy am-po Eny ho doria, hitory Anao Jesoa tia Ka na iza handrafy anay, noho ny asanao Ray Ho reraka eo izy f'izahay tsy ho kivy Tsy ho resy fa hitory hatrany ny fitiavanao
Fa arakarakan'ny hitorianay Anao tokoa Jesô no hitomboanay hery Finoana miavosa e Toky tsy kanosa, Ireo no enti-mandresy 'lay devoly fetsy Satana mangidy mpanao ambozizy Ka mahatoky Anao zahay Hiady ho anay handresy fahavalo mitady hampimalo Finoanay izao dia handresy toa Anao
Fiv.... Raha momba ny asanao (eny e) Ekenay atao(eny e) Na iza ho be lazao (eny e) Ny eninay tsy ho lao (eny e) Fa ny anay tsotra ny teny Rehefa eny dia eny Tsy hivadika ho “non” na hoe asio “condition” Eny ho mandrakizay, eninay tsirairay Eny ho vono-kanompo, hanompo Anao Jesoa soa Ilay eny ho doria enin'ny Ampifitia