Aloka sisa no mamisavisa Ato am-poko satria ‘lay fitia Lasa ny ela tsy nisy tavela Lanin’ny aizina tsy azo laizina Nefa ianao de tsy mba nandao
Ianao no heriko, ianao no tanjako Vatolampy iankinako ny safosafonao Maraina vaovao ny fiainako hatrizao Ny aloky ny lasa ho’aho Tsy hanova ny fitiavako
Masoandroko ianao fanilo manazava Ianao no fiereko raha misy aizina ao Ianao no nanasa ny aloky ny lasa Ny fakan’ny fahiny hoy aho Nanjary aina vao
Masoandroko ianao fanilo manazava Ianao no fiereko raha misy aizina ao Ianao no nanasa ny aloky ny lasa Ny fakan’ny fahiny hoy aho Nanjary aina vao