Zanahary ô tahio ny tanindrazanay Handroso lalandava handry fahizay Enga anie hanjaka ao ny saina mahay miray Dia ho tany sambatra ilay Madagasikaranay
Ireo mpitondra anay arovy lalandava koa Tolory saina hendry kinga sy mahay Ka ny marina anie no mba hanjaka ao tokoa Dia ho tany sambatra ilay Madagasikaranay
Ny taranakay tahio ho vanona tokoa Ireo no solofo dimby rahatrizay Mba ho tena mahatoky feno fahendrena koa Dia ho tany sambatra ilay Madagasikaranay