Isaky ny ho hitanao Mitovitovy amin’izao Ny volon’andro, aoka lahy Ny fonao hahatsiahy Isaky ny ho hitanao Mitovitovy amin’izao Ny eto an-tokotanintsika Dia tsarovy ny androntsika Isaky ny misy hira Henonao mamiravira Ny fotoana niarahana Dia tsarovy aho iky E, tsarovy ny fitia Manonona fivavahana
DOX http://www.freewebs.com/doxpoete/index.htm
Teraka tamin’ny 13 janoary 1913, tao Manakavaly i Jean Verdi Salomon RAZAKANDRAINY (na i DOX). Mpitsabo tao amin’ny foibe fitsaboana ny habokana mantsy ny rainy. Nianatra tao amin’ny sekolim-panjakana tao Antsirabe izy, ary nifindra tao Ambohijatovo sy tao amin’ny Paul MINAULT avy eo. Nanaraka fianarana sary tamin’ny Ecole Universelle ihany koa izy ary hita taratra tokoa eo amin’ny asa sorany izany fahaizany hosodoko izany. Izany indrindra no nilazany azy ho mpikalo ny zavaboahary. Tsara homarihina eto, fa azo lazaina ho talenta nolovaina ny an’i DOX. Maro tamin’ireo iraitampo aminy no mpitendry zava-maneno (toa azy ihany koa) toy ny “piano”, lokanga, “clarinette”...Ary ny solon’anarana izay noheveriny hampiasaina dia SORAJAVONA ary nisaloran’ny tari-pianakaviana izay tarihin’i Roger Salomon ANDRIAMPARANONY zanany.... ....Namoaka boky maro nifanesy izy nanomboka tamin’ny taona 1940 ary nanampy ireo ny tantara an-tsehatra Hatramin’ny 1945-1954 dia zoim-pahoriana mafy nifanesy i Dox fa namoy ny zanany lahy (1945), ny rainy (1949), ny zanany vavy (1949) ary ny vadiny – Perle RAZANABOLOLONA – (1954). Nisy akony betsaka ary hita taratra tamin’ny asa sorany izany, ohatra “atataovy aho ‘ray olona sao tsy tratrako ‘ty havako...He ‘ty elanelanay !...”. Na teo aza zany, dia azo ambara fa nikalo ny hasoa sy ny hakanton’ny zavaboahary hatrany izy.... .....Maty ny 14 Jona 1978 i Jean Verdi Salomon RAZAKANDRAINY ary nalevina ao amin’ny fasan-drazany ao Anjanapara – Tritriva – Betafo.
Ref. : Raki-piainan’ireo Mpanoratra malagasy (F. L. Razafindralambo Feb. 2007, Mpampianatra).