Ny adala no manao anakam-po hoe tsy misy Andriamanitra Kanefa milaza mitory sy mino fo tonga any an-danitra Ny mpanompo sampy va re mba handova ny fiainana mandrakizay ? Diniho ny lalana sy ireo didy 10 navoaka fahiny nomen’ Andriamanitra Ray Tsy misy natao tsy hahalala tsy akory fa izao re no marina Ny minia misaina ny zavatra diso tsy saro-patarina Ireo no atao hoe mizotra amin'ny lalana be mahafinaritra Tsy fantany mantsy ny faran’izany fa tomany lava sy sento maharitra
Koa raha misy milaza ny zavatra diso fa tsy mba ny marina Dia olom-boafidin’ingahy losifera io fa saingy namboamboarina
Fiv : Ry fatra –mpandiso ô diniho re ny zavatra atao Andriamanitra ihany no mihevitra izay momba anao Izao no tsarovy sy ataovy ao an-doha Fa ts’isy ny lanitra iray faharoa Ry fatra-pandà ô tsinjovy ny fanahinao Ny heloka vita ifony ary koa ibebao Izao no tsarovy sy ataovy ao an-doha F’izay no tadiavin’ny Tompo Jesoa
Ny zava-drehetra dia nisy namorina matoa vanona Tsy lavina izany fa marina loatra ka tsisy hokianina Jereo ny tanety ny rano ao an’ony sy ireo tendrombohitra Fa misy tsy nisy mpanao hono ireny Hoy ny vava sy tenin’ny fatra-mpanohitra Koa raha misy mpitory izay tsy mba milaza ny zavatra marina Dia sari-bakolin’i belzaboba io fa saingy Saingy namboamboarina