Aza matahotra f’Izaho no voaloha sy farany Aza matahotra ianao ary minoa fotsiny ihany Na dia efa maty aza Aho dia indro mbola velona indray Ary izay rehetra mino Ahy ho velona mandrakizay
Fiv….
Amin’ny fo no teny no ahazoana fahamarinana Amin’ny vava no hanekena hahazoana famonjena Ka na dia kely toy ny voatsinampy ny finoanao Izay dia ampy handrodana ny tendrombohitr’olana
Tsy misy maharombaka zay am-pelantanany Miravoa f’Izy hiaro anao Fa Izy tsy mba ela dia ny fikasany Matokia fa Izy homba anao Ny lanitra sy ny tany levona avokoa Fa ny tenin’ny Tompo tsy ho levona mandrakizay