Amin'ny 21 oktobra 2012 izao àry no hananganana ho Olomasina ny Olontsambatra Jacques Berthieu. Samia miomana hankalaza an'Andriamanitra miaraka amin'ny Fiangonana manontolo amin'io andro io. Dia mirary zotom-po sy herim-po hiarovana ny finoana sy ny marina ary ny masina eo amin'ny fiainantsika andavanandro. Miombom-bavaka. Ry Md Jacques Berthieu, mivavaha ho anay, ho an'i Madagasikara, ho an'ny Fiangonana ary ho an'izao tontolo izao!
Tononkira:
1. Ry Olomasina tsaroana Vavolombelon'ny finoana Na dia natahotra ho faty Hita ho nisotro ny aleoko maty Ka tsy niahotra na kely Tsy nitaraina velively Loza raha matimaty foana (F'ianao) maty nijoro tam-pinoana
Ry Jacques Berthieu Vavolombelona Ny fiainanao maneho finoana velona Ampionao izahay mba hino ihany koa Hijoro ka hiray fa mpianatr'i Jesoa
2. 'Lay misionera igagana Tsotra mitepo fo mafana Maika hamonjy ny marary Hontsa an'ireo natao fanary Nitety toeran-tsesehena Nanentana ny fambolena Fa hamonjy ny olo-manontolo (No tanjona) tanjony mba ho an'ny daholo
Ry Jacques Berthieu tia fihavanana Ny fiainanao naneho Fitiava-namana Ny ohatra entinao dia lalan-tsoa tokoa Ho anay havanao Mba ho voavonjy koa
3. Narovanao ireo vehivavy Tamin'ny Menalamba be fiavy Ianao niseho saro-piaro No naharomotra ny maro Ka noratraina ianao Nanaovana ny tsy fanao Loza ny asan'ny satana (F'ianao) masina tsy isalasalana
Ry Ray be fitia Andriamanitray Ry Zanak'i Maria, Jesoa Zokinay Misaotra Anao tokoa fa ny Fanahinao No niaro mba ho soa ity mpanomponao