Arahaba ry Mpanjakavavy, ry Reny be indrafo fiainanay ianao sy hamaminay ary fanantenanay, arahaba! Ianao no antsoinay zanak’i Eva voasesitany Ianao no isentosentoanay mitaraina sy mitomany amin’ity lohasahan-dranomaso ity Eny, ry mpisolovavanay, Ireny masonao feno indrafo ireny mba atodiho aminay ary rehefa afaka amin’ity sesitany ity, ataovy mahita an’i Jesoa naloaky ny kibonao izahay Izany, ry be indrafo! Izany, ry be fitiavana! Izany e, ry Maria Virjiny maminay!