Ny teny atsipinao, Izay niniako tsy ho re, Toa tsapako eto anio, ny fahamarinany Ny tolotolotrao Tsy nahataitra hatramin'izay Dia fantatro eto anio ny lanjany
Hatramin'izay Tsy nisy naha-rototra ahy Satria ianao teo foana,teo anilako Nihevitra aho fa Na inona fitrangany eo Ianao efa napetraka ho ahy
Nefa izao, toa tampoka foana Nilaozanao aho, tsy ankiteny Mipenipenina ny foko irery Fa tsy eo ianao vao fantany fa ilainy
O! ny fisianao Tsy nohalaliniko hatrizay Satria nataoko ho efa izay ny làlana Ny mety ho hevitrao Tsy noheveriko satria Jambenan'ny fitiavan-tenako aho
Nefa izao, toa tampoka foana Nilaozanao aho, tsy ankiteny Mipenipenina ny foko irery Fa tsy eo ianao vao fantany fa ilainy
Ka mamelà ahy, Raha misy fihetsiko indraindray Nampisy alahelo ao am-ponao ao Mamela ahy, Henoy na tsy mendrika, F'izaho tsy feno raha tsy eo ianao!