Roy e roy e roy e ry lahy! Midola tsy ketra'ketrak'ila Midola tsy amin-tsavony mavo rajo Midola mitongom-baky "mauvais" Mitari-pasika mody ka tsy tiako Lazondazom-boakanzo nankalao Lazondazom-pitia nanadala Tiavo ny havanao Ramatoa F'izaho aza ariana sombiniaiko ieh! Azy ny azy e! Eny veloma ihany 'zany havako 'zany eny veloma!
Eny ekeko fa marina izany Raha ianao peratra Izaho ratsan-tanana Ianao no endriko Izaho bikanao sombiniaiko Aza dia miavonavona ry kala Aza dia tsy miteny ho'aho ianareo Raha tsy tianareo anie aho Atero eny antsasa-dalana aho mba hody Eh! Azy ny azy e! Eny veloma ihany 'zany havako 'zany eny veloma!
Eny ekeko fa marina izany Tavohangy raha mihilana Tohanako lantinoara Ise kely raha mihilana Tohanako latin-tsandry moramora Eh! Azy ny azy e! Eny veloma ihany 'zany havako 'zany eny veloma!
Eny ekeko fa marina izany Tranonay sy malala Manao atsimo sy avaratra sioka tokana dia mivoaka Kopa-damba dia lasa "rendez-vous" Ondaondano kely anie aho ry patro Fa marary ny an-dohako Fa naninona no narary ? Tsy niala vazo-boana ka narary e ! Eh! Azy ny azy e! Eny veloma ihany 'zany havako 'zany eny veloma!
Eny veloma masina ny aty Teny Antananarivo izahay Arivo tratry ny taona Tetsy Ambatonakanga izahay Nahazo akanga nivady o! Ary teny Ambohimanga izahay Namangy an' Ikaky sy Neny Itondray tamotamo aho hotamotamoko Itondray sakarivo aho hirivorivoko Paraky mahery izahay re Ka tsy hohanin' olon-jejo.