Hiran'ny Dadah zay navaozin'i Bodo atolotra ho an'i Neny rehetra!!
Avia Neny tiako eto ampofoko Eto antsandriko ankavia mba ho akaiky ny foko Etsy,etsy hoesoriko ireo volofotsy Hitantarako angano ianao, sady haraiko rotsirotsy

Ny adidy tsy efanao mbola tianao hotoizana Tsy mahatsiaro hasasarana tsy mahalala vizana Mihisakisaka mila hotorovana Aok'izay fa ianao ilay niaro indray no mba mila fiarovana
Avia Neny tiako fa aza miahiahy Ny ataoko anie, sombiny ny vitanao hatrizay Etsy, hotatanako fa ela lanaka Ny aina no mateza fa hifampitaiza isika mianaka