Na sarotra ny lalana aleha Tsy ahasakana ahy tsy handeha Na henjika na latsa eso koa,tsy mampaninona ahy Navesatra ny efa nentiko Toky foana no nasetriko Tsy taitra aho f'ireo zay ratsy loha Sy nampivadi-po ho tsinotsinona
Tompo o ankiniko aminao Ny fiainako sy izay rehetra mikasika ahy Aoka ianao hitantana tsy handao Ninoninona hanjo,na ho sarotra tokoa Matoky anao aho ka tsy manahy
REF:matoky anao zahay miandry ny marina fantatray ianao fa tsy miangatra tompo o miandrandra anao zahay miandry ny rariny tsy manahy ny fanahy manana anao