"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." Jaona 3:16
Maniry mafy aho, ry Jeso Tompo ô Hialoka eo ambany hazo fijalianao Tsy misy toeran-kafa re izay tena mamiko Ny hazo fijalianao no fiarovako
Ny hazo fijalianao no itazanako Ny tenanao izay nijaly mba ho avotro Ka dia kotsan-dranomasom-pitiavana Ny tavako, ry Tompo ô fa afa-keloka !
Am-pototry ny hazo izay nijalianao No itoerako hohazavain'ny tavanao Ataoko fatiantoka ny zava-mora lo Ny hazo fijalianao no tombon-dahiko !