Hay vé ? de Rija Ramanantoanina interprété POUR LE FUN SANS PRISE DE TÊTE 26.07.09 ORCHESTRE DIAP TANA MADALORS DE LA RECEPTION HOMMAGE à RAKOTOZAFY JULIEN Hay ve ka nisy Raozy nokoloinao naniry tamiko Fa ny foko no nandà tsy hamokatra intsony Nefa tsy kivy ianao
Hay ve ka nisy Finiavana hikarakara taminao Fa ny saiko no ninia tsy ahafantatra ireny Fony naha teo anao Fa lasa ianao vao tsapako Nony indro ianao tsy tazako Injay nilentika lalina am-poko ao Lalim-paka 'lay raozinao Fa teo ianao tsy hitako Niteny ianao tsy reko koa Taitra ianao ninia natory irery aho Taitra avy eo aho nilaozanao Raha mbola misy Zay voatahiry tamiko ao anatinao Ento ahy fa hokoloiko ireo hiroborobo Toy izay nataonao ahy Raha mbola ao koa Lay dikan-teny hoe "tia ambetin-dresakao" Ento aty f'izay vao fantatro Ny tena heviny nolazainao taloha REF Fa lasa ...lay raozinao Fa dindo tsy hay kosehina Am-poko ilay fitiavanao Fa ny hany faniriako dia izao "MANDRAKIZAY HO AHY IANAO"