Avelao 'zaho hokotsain'reo alahelonao, Raha mbola misy fo tsy mety mitempo fitia Avelao 'zaho holena ireo ranomasonao, Raha mbola misy tanana tsy mifandray mihintsy Avelao 'zaho hisento mandrakizay 'zaho, Raha mbola misy foana ny elanelana mandrava Avelao 'zaho hitomany ho'aho 'zaho, Raha mbola misy marina tsy voalazan'ny vava
Hozaraiko aminao izay an'ahy, Hozaraiko fa misy fanahy Hozaraiko aminao izay an'ahy Hozaraiko fa feno fitiavana Hozaraiko aminao izay an'ahy Hozaraiko fa feno fihavanana Hozaraiko aminao 'zay an'ahy Hozaraiko fa aza manahy
Avelao 'zaho hopotika tsy hisy intsony (avelao 'zaho, avelao 'zaho) Raha ohatra ka mbola tsy mandihy foana ny fony Avelao 'zaho ho levona,ho rava mihintsy (avelao 'zaho, avelao 'zaho) Raha ohatra ny fitiavanao efa ts'isy Avelao 'zaho hangina,hangina tsy hiteny (avelao 'zaho, avelao 'zaho) Raha ohatra ny fonao efa mihatery Avelao za am'izao fotsiny eo, Raha ohatra ianao manomboka efa leo
Raha ohatra ka fitiavana ny resaka Raha ohatra ka tena fitiavana ny resaka Ra ohatra ka fihavanana ny resaka Raha ohatra ka tena fihavanana ny resaka
Te-ho namanao anie aho... Hozaraiko aminao e,hozaraiko aminao Raha ohatra ka fitiavana ny resaka, Raha ohatra ka fihavanana ny resaka; Diz ora iray monja,segondra iray monja Dia afaka manova ny fiainantsika sy ianao Ho any amin'ny tontolo ts'isy disadisa Toa ohatran'ny hoe ohatraohatran'ny paradisa Raha FITIAVANA ny resaka Raha FIHAVANANA ny resaka.