...Fa raha tsy nisy Menalamba Mbola aiza ianao angamba? Raha tsy nisy Vi-Vi-Eso, Ny lalam-bita hoe refeso! Raha tsy nisy sandry tapaka moa ianao ho olon'afaka? Ny fahafahanao androany Nisy maty ho an'izany. (Rado 09/12/69 notsongaina tao amin'ny Dinitra p. 120)
Ry Malagasy, miraisa hina hanohitra izay mety ho fanjanahana amin'ny endriny vaovao ankehitriny sy ny fangejana ataon'ireo firenena vahiny. Masina i Madagasikara, masina koa ny Tanindrazana. Mijoroa isika hiaro ny Fiandrianam-pirenena.