Faniriako hatrizay ny hitoetra akaikinao Hifankatia mandrakizay ka hiaraka aminao Fa babonao avy hatrany ny ao anatiko ao Raha nibanjina ahy ireo masonao
Fa ianao irery no tiako eto an-tany Fa ianao irery no tiako ho doria
Ka ny hiran'ny fitia no ho kaloiko ho anao Fa mamiko tokoa akia ny ho eo anilanao Hasambarana hampiray ny fontsika ilay fitia Ka ho lalana iray no hizorana ho doria
Fa ianao irery no tiako eto an-tany Fa ianao irery no tiako ho doria