Manahy aho Ho ataonao toy ny sary indray mipika Na koa toy irony fasika hoentin-driaka Ny foko tia ka tsisy fiarovana Manahy ny ho ataonao fandalovana Ho zary fahatsiarovana(2)
FIV: Ka tsara angamba dieny izao Dieny mbola tia ahy ianao Hoy aho hoe ny mety atao Mifandao
Manahy aho Ho ataonao toy ny aloka miserana Na koa toa irony mamy tojo fahataperana Ianao voky fitia fa natao tsara fahana Izaho toy ny lovia avy nihinana ho zary atosi-tanana(2)
FIV:ka tsara....
Tsy ho fahavalo Fa hisaraka toy ny mpihavana Ka ny mamy ihany no hifanodiavana Ka raha hifankahita any aoriana any Hiara-hitanisa ireo andro mamy Toy ny fitia tsy mbola lany Toy ny fitia tsy mety lany