Raha misy ratram-po na azom-pahoriana ianao Dia làlana lalovana io mba hanefena anao Na dia mavesatra aza tsy hanariana ny finoana Ho maivana aminao rehefa Jeso no antsoina
Tsarovy koa fa maro no mivavaka ho anao Izay efa niharam-pahoriana mafy toy izao Iray no nitokiany dia Jeso izay tsy mandao. Hampody ny haizina mba ho maraina vaovao.
Matetika na sambany ianao No iharam-pitsapàna toy izao ? Dia aoka hazava tsara Fa misy tiany hambara Fitiavana no anton’izao Sady efa antso ataony aminao Ny hiovanao fo raha tsy fantatrao Valio izao antso izao
Na maloka aza ny andronao tsy mety mibaliaka Mijery anao hatrany anie ilay Andriamanitsika Mahay ny zavatra rehetra izay tsy takatrao Hampody ny haizina mba ho maraina vaovao
Matetika na sambany ianao No iharam-pitsapàna toy izao ? Dia aoka hazava tsara Fa misy tiany hambara Fitiavana no anton’izao Sady efa antso ataony aminao Ny hiovanao fo raha tsy fantatrao Valio izao antso izao
Na maloka aza ny andronao tsy mety mibaliaka Mijery anao hatrany anie ilay Andriamanitsika Mahay ny zavatra rehetra izay tsy takatrao Ka manatsotra tanana Izy ta-handray anao