Anilanao ihany angamba ny hahatsara ahy Ny anilanao no mba nahitako hafanana Ka dia ho eo foana aho, tia anao hihanta eo anilanao Na ny andro nanjombona namirifiry Na namiratra foana izy na nampangatsiaka Fa teo foana ianao, tonga mitalaho Hoe aza mandao
Hatramin'izay tsy nahateo anao toa alahelo foana Nanjary hakiviana feno fahoriana izany fiainako Mila anao foana aho, miandry anao, aza ariana Ka mba mitalaho, raha azo atao Mba ho eo...
Anilanao ihany angamba ny hahatsara ahy Ny anilanao no mba nahitako hafanana Ka dia ho eo foana aho, tia anao hihanta eo anilanao Na ny andro nanjombona namirifiry Na namiratra foana izy na nampangatsiaka Fa teo foana ianao, tonga mitalaho Hoe aza mandao
Mbola miandry anao foana aho Miandry anao ny toeranao Koa mba lazao izay sitrakao na holavinao
Efa nifanantena izaho sy ianao Fa tokony hoe tsy hisy hifandao Aza avelanao irery foana aho Aza dia avelanao hisento aho Fa te mba ho namanao