Nolazainao lavitry ny maso lavitry ny fo Nolazainao fa ny tsara eny mety adino Nolazainao hitanao fa mbola tiana izy Lay tovovavy zay nomeko anaram-bositra hoe
Ry loloko ô (2) ry loloko ô (2) Afaka iray volana aho dia hiverina indray Ry loloko ô (2) ry loloko ô (2) Eo anilanao no mitoetra
Ny fitiavantsika hery lehibe dia lehibe Ka ny lanitra no mitahy azy amin'izao fotoana izao Noho izay nolazainao hitanao fa mbola tiako izy Ilay tovovay iray izay nofihiniko
Ry loloko ô (2) ry loloko ô (2) Afaka iray volana aho dia hiverina indray Ry loloko ô (2) ry loloko ô (2) Eo anilanao no mitoetra
Ny ranomasina dia kely dia kely Anatrehan'ny fo roa mifankatia Noho zay nolazainao hitanao fa mbola tiako izy Ilay tovovay iray izay izay norohako
Ry loloko ô (2) ry loloko ô (2) Afaka iray volana aho dia hiverina indray Ry loloko ô (2) ry loloko ô (2) Eo anilanao no mitoetra